- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Tambajotra-mpangalatra fiara ravan’ny zandary

Talatamaty : Tambajotra-mpangalatra fiara ravan’ny zandary

Miisa efatra izy ireo, niara-voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Talatamaty izy ireo taorian’ny halatra fiara niseho tetsy Andranotapahina, ny voalohandohan’ny volana jona lasa teo. Ny fiara dia hita niaraka tamin’ireo olon-dratsy ireto. Ankoatra izay, araka ny fampahafantarana nomen’ny zandary dia nahitana bala maromaro ihany koa tany amin’izy ireo tamin’ny fotoana nisamborana azy. Raha tsiahivina, niainga tamin’ny tranga fanafihana fiara tetsy Andranotapahina ny fanadihadiana sy ny famotorana rehetra nataon’ny teo anivon’ny zandary, izay notarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritr’Ambohidratrimo. Ny andron’ny 4 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva, andian’olona maromaro tsy nisaro-tava no nanafika fiara 4×4 Mazda BT50. Nandrangaranga basy poleta ireto farany ary nanapoaka izany mihitsy nentina nampitahorana ireo tao anaty fiara. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io moa ilay fiara lafo vidy. Nanomboka teo, nitohitohy ny fanadihadiana ary niafara tamin’ny nahitàna ilay fiara, izay nafenin’ireo olon-dratsy teny amin’ny toeran antsoina hoe Ankafotra, tany amin’iny kaominina Andriampamaky, tamin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, talohan’ny namarotan’izy ireo tamin’ny olona iray teny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka iny. Marihana fa efa novain’ireo olon-dratsy ny laharan’ny fiara, izay nanana laharana TBS kanefa efa nataon’izy ireo WWT. Mora ho an’ireo mpitandro filaminana araka izany ny namantatra ireo olon-dratsy, izay tra-tehaka niaraka tamin’ny taratasin’ny fiara rehetra sy ny takelaka misy ny laharan’ny fiara tena izy ary bala miisa 11, calibre 9mm. Raha ny fanazavana dia monina teny 67ha sy Ampefiloha Ambodirano ireo tena nanao ny asa ratsy, monina etsy Ambodimita kosa ilay mpanera mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ary teny Ambohitrimanjaka ilay mpividy halatra. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy ireo. Tsy nijanona hatreo kosa, raha ny fantatra fa mbola manohy ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici