- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Tambazotrana mpangalatra môtô ravan’ny zandary

Talatamaty : Tambazotrana mpangalatra môtô ravan’ny zandary

Nahatratra sivy aloha hatreto no voapaingotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Talatamaty, amin’ireo olon-dratsy voarohirohy amin’ny resaka halatra môtô teny amin’iny faritra iny. Misy amin’izy ireo, hoy ny loharanom-baovao azo, ireo mpitily ireo môtô ho hangalarina fotsiny, misy ireo tena manatanteraka ny halatra, misy ireo mpanova endrika an’ilay môtô, ny mpanoma ireo faktiora sandoka ary ao ireo mpivarotra halatra.  Tao anatin’izany ihany koa no nahasaromana kodiaran-droa miisa efatra tao amin’izy ireo, izay azo heverina avy hatrany fa mety ho halatra ihany koa.

Raha ny vaovao azo hatrany dia niainga tamin’ny fitoriana napetraky ny olona iray lasibatry ny halatra môtô, tsy lavitry ny rond point tetsy Talatamaty no nahazoana izao vokatra izao. Raha iny variana nividy zavatra tamina épicérie iray teny an-toerana mantsy ity farany, andro efa somary harivariva ihany no nisy nitsaika ny môtô-ny. Niditra an-tsehatra ny zandary taorian’izay ary nanokatra ny fanadihadiana. Nitondra ireto farany ho any amin’ity tambazotra mpangalatra ity izany ary izao naharavàna azy izao. Heverina fa mety ho mbola naman’izy ireo any ary mbola eo am-panohizana izany ireo tompon’andraikitra. Na izany aza aloha, notanana natao andrimaso ireto voasambotra, mandram-panolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici