Vehivavy iray no hita faty tao an-tranony, ny sabotsy maraina lasa teo, tao amin’ny fokontany Ankadivory, ao amin’ny kaominina Talatamaty. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary, dia natao fanahy iniana novonoina mihitsy ity ramatoa ity. Fahasemporana vokatry ny fanakendana natao azy no nitarika ny fahafatesany tamin’ny fitsirahana ny razana. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina no teo nisy nahita tao amin’ny trano fonenany ny razana. Olona nikasa ny hamangy ity vehivavy ity no nahita azy nitsitra sy efa tsy nisy aina intsony, ka nampandre avy hatrany ny fokonolona sy ireo tomponandraikitry ny filaminana. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany, dia olona iray no nahiahiana ho nahavita ity heloka bevava ity. Ity olona ity mantsy, raha ny fanazavana, azo dia hitan’ilay namangy nivoaka ny trano nisy an-dratompokovavy, ary nifanena mihitsy taminy, teo am-bavavahady aza. Niantso vonjy avy hatrany ilay ramatoa rehefa nahita izany. Nony naheno izany anefa ilay olona nahiahiana dia nitsoaka nandositra avy hatrany, saingy tsy namelan’ny fokonolona raha tsy voasambotra. Hatreto dia fantatra mazava izay tena anton’ity vono olona ity. Fandrobana niharo vono olona sa sotasota fotsiny ihany na halako bika tsy tiako tarehy ka nitarika amin’izao famonoana izao ? Ny fanadihadiana ihany anefa hatreto no mety hamantarana izany. Nentina tany amin’ny biraon’ny zandary ao Talatamaty moa ity olona voasambotra ity, ary notanana natao andrimaso avy hatrany mba hanaovana famotorana mahakasika ity vono olona ity.
m.L