- Publicité -
vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Vehivavy maty, tapaka nizara roa voadonan’ny fiara

Talatamaty : Vehivavy maty, tapaka nizara roa voadonan’ny fiara

Nijininika ny rà. Tsiravina avokoa ireo olona rehetra nahita ny fahavoazan’ny ramatoa iray tetsy Talatamaty, omaly antoandro. Vehivavy lehibe iray, manodidina ny 45 taona teo ho teo no tapaka nizara roa mihitsy teo amin’ny valahany rehefa avy nodomina fiara tsy mataho-dalana iray. Maty tsy tra-drano teo no ho eo ity renim-pianakaviana ity. Raha ny voalazan’ireo olona nanatri-maso teny an-toerana dia tokotokony ho tany amin’ny 2 ora tany ho any no nisehoan’ny loza. Avy niantsena teo amin’ny tsenan’i Talatamaty ity renim-pianakaviana ity, raha ny fantatra hatrany, kanjo sendra izao loza mahatsiravina izao. Fiara tsy mataho-dalana avy aty an-drenivohitra no nirimorimo mafy. Nisy môtô scooter nibahana anefa ny lalana ka niala an’io ity fiara, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana hatrany. Tsy voatana intsony ny familiana, ka nifaoka ity ramatoa tsy manan-tsiny ity. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nifatratra tamina tamboho teo akaiky teo ihany. Mafy dia mafy ny fandonana. Voa teo amin’ny valahany ilay vehivavy ary nipitika. Potika ihany koa ny lohan’ilay fiara. Fambara izay azo itarafana ny mety ho hafainganam-pandehan’ity fiara tsy mataho-dalana ity. Tapaka mihitsy aza ny valahany ary nizara roa ny tenan’ity ramatoa ity. Mbola voatoron’ireo vato malao sy biriky tamin’ilay rindrina nihotsaka ihany koa ny lohany. Nifantsintsitra ny rà. Nitangorona avy hatrany ny olona ary kivy avokoa ny rehetra nahita ity loza mahatsiravina ity. Tsy navelan’ny olona nihetsika teo kosa ilay fiara nahavanon-doza. Nidina teny an-toerana avy hatrany kosa ireo zandary, ary nitondra ilay mpamily. Fantatra, araka ny voalazan’izy ireo, fa ana teratany vahiny iray ity fiara ity, izay tsy tao anatin’ilay fiara akory. Avy naka ny zanany taty an-drenivohitra ny mpamily io nahadona olona io. Tsy nahenoana fofon-toaka araka ny feo nandeha teny an-toerana ihany koa ny mpamily, raha ny fanamarihan’izy ireo hatrany. Efa mandeha ny famotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser