- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Voasambotra ny mpanafina ireo Karàna nalaina an-keriny

Talatamaty : Voasambotra ny mpanafina ireo Karàna nalaina an-keriny

Saron’ny zandary teny Talatamaty ny lehilahy iray voalaza ho mpanampy ireo olon-dratsy mpaka an-keriny karàna, ny 5 jolay lasa teo. Araka ny fanazavana azo dia miara-miasa amin’ireo jiolahy rain-dahiny amin’ity resaka kidnapping ity io lehilahy io, izay mpiambina an’ilay tanàna, fanafenan’ireo jiolahy an’ireo Karàna voasambotra. Raha ny voalazan’ny zandary dia mampanofa io tanana io amin’ireo mpaka an-keriny ity ranamana ity. Roa ka hatramin’ny telo tapitrisa ariary ny karamany amin’izany. Efa in-telo nitazomana karàna, nalaina an-keriny, ity tanàna ity raha ny vokatry ny fahadihadian’ny zandary hatrany. Tao anatin’izany ihany koa no nanondroany olona enina hafa, mpiray tendro aminy amin’ity fangalana an-keriny Karàna ity. Ary isan’izany ilay jiolahy rain-dahiny antsoina hoe Voay, tompo-marika tamin’ny fanafihana ny “Acces Banque” farany teo. Mirongo fiadiana maherivaika ireto andian-jiolahy ireto, araka ny fanazavana azo hatrany. Mbola mitohy araka izany ny fanadihadiana ary karohina fatratra amin’izao fotoana izao ireo olon-dratsy ireo.

Mike L.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser