- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTale ao amin’ny faritra Sofia « MD » : « Lasibatry ny tsindrin’ny Facebook »...

Tale ao amin’ny faritra Sofia « MD » : « Lasibatry ny tsindrin’ny Facebook » hoy ny Goverinora Jly Lylson

Raha honohono no hanaovana MD dia tokony atao MD avokoa ireo voalaza fa dahalo any ambanivohitra rehetra any, hoy ny Jly Lylson, goverinoran’ny faritra Sofia.

« Na dia hoe tompon’andraikitra ambany fitantanako aza izy, dia navelako malalaka ny polisy sy ny Fitsaràna hanao ny asany » hoy ny Jly Lylson De Réné, Goverinoran’ny faritra Sofia, raha nanontanianay mahakasika ilay raharaha navoarohirohy ny Talen’ny fitantanam-bola eo anivon’ny Faritra Sofia. Nadoboka am-ponja vonjimaika ity farany, rehefa voarohirohy tao anatina lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona iray tao Antsohihy. « Raha ny zava-nisy anefa aloha hatreto, tsy mbola nahitàna porofo marim-pototra fa nahatonga izany loza nahafaty olona izany izy » hoy hatrany ny Goverinoran’i faritra Sofia. Raha ny filazany dia noho ireo tsindry maro isan-karazany avy ao amin’ny Facebook sy ireo honohono isan-karazany no mety antony nandraisan’ny mpitsara mpanao famotorana, ny hampiditra am-ponja vonjimaika azy. « Amin’ny maha-tompon’andraikitra ambony sy mpiasam-panjakana azy anefa, tsy nety ve raha natao eo ambany fanaraha-maso ara-pitsaràna  izy, mandrampahatonga ny fotoam-pitsaràna ?» hoy hatrany izy.

Tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza mantsy, araka ny fanazavana hatrany dia efa olona mitsirara no nisy nahita. Tsy nisy olona nahita izay tena zava-nitranga. Herinandro taty aoriana, tao anatin’ny fanadihadiana no nisy nilaza fa nahita ny fiaran’ny faritra, nentin’Atoa DAF nandalo teo. Niantefan’ny ahiahy avy hatrany araka izany izy ary nanaovana fanadihadiana. « Efa tonga hatramin’ny fampitahana ireo vakina jiro hita teo an-toerana tamin’ny jiron’ny fiara nentiny izany. Saingy tsy misy fitoviany mihitsy izany ». Antony hilazàna fa tsy misy porofo matotra hahafahana manenjika azy velively. Ary honohono avy ao amin’ny tambazotra sosialy no betsaka. Etsy andanin’izay anefa, manitrikitra ny havan’ny maty fa tena ity tompon’andraikitra eo anivon’ny faritra ity no namono nahafaty ny havan’izy ireo. Nandona ity raim-pianakavina ity teo Ambendrana « rehefa avy nisotrosotro niaraka tamin’ny namany tsy lavitra teo ». Nitsoaka avy hatrany nony avy eo ary tsy nandray andraikitra akory teo anoloan’ny loza niseho.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici