- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTalem-paritry ny mponina Toamasina : Fanolorana « kitwash » ho an’ireo olona...

Talem-paritry ny mponina Toamasina : Fanolorana « kitwash » ho an’ireo olona 500 mpisitraka

Nosantarina androany ny fanomezana avy amin’ny mpiara-miombona antoka mikasika ny “kitwash” ho an’ireo olona marefo eny amin’ny fokontany miisa 500. Ahitana ireo manana olana ara-batana sy ara-pahitana ary ara-mpitenenana, ireo zokiolona, ary ireo manana ny olana ara-molotra. Hitohy mandritra ny herinandro ny fanolorana izany isam-pokontany sy isan’olona tokony hahazo ilay fanomezana. Ny fikambanana Medair no misahana ny fanampiana avy amin’ireo mpira-miombona antoka ireto, ka ahitana fitaovana fakana rano, zinga, fitehirizan-drano 10 litatra, ary savony, ireto fanomezana tafiditra ao anatin’ny “kitwash” ireto. Niatrika ity lanonana ity ny ben’ny Tanana sy ny talem-paritry ny mponina atsinanana ary ny solon-tena ny talem-paritry ny rano atsinanana, teo ny Medair sy ireo solon-tenan’ny mpiara-miombona antoka rehetra tamin’izao fanomezana izao. Tafiditra tsara ao anatin’ny ady ataontsika amin’ny valan’aretina Coronavirus izao fanomezana izao, satria tena mbola eto amintsika ny aretina ka tsy tokony hitamatama isika amin’ny fitandremana, sy fandraisana ireo fepetra maro ara-pahasalana nambaran’ny fanjakana. Nambaran’ny ben’ny Tanana, fa tena mbola ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina covid-19 tanteraka isika izao, satria mbola misy ireo marary tsaboina amin’izao fotona izao ary tsy mbola mitsaha-mitombo ireo voa eto amintsika tato ho ato izay. “Arovy ny vatanao, arovy ny hafa” hoy ny ben’ny Tanana, satria ny fiarovan-tena amin’ny fanaovana arotava sy ny fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana nambaran’ny fanjakana ihany no mahomby amin’ity ady ataontsika ity, mba miaraka mandresy ny Covid-19 ity isika.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici