Tsy niandry ela fa herinandro mahery taorian’ny fanendrena ny talem-paritra vaovaon’ny serasera sy ny kolontsaina atsinanana, dia napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny talem-paritra vaovao notendren’ny fanjakana, Atoa Harison Stéphanio. Nanao izany ny sekretera jeneralin’ny prefektioran’i Toamasina fa tsy teto Toamasina ny prefen’i Toamasina, fa namita iraka ao Antananarivo. Fantatra tao anatin’ny famidram-pitantanana fa tafiditra ao anatin’ny asa 100 andro ny ministera izao fanendrena vaovao izao, ka ny iraka hatao dia “indro izahay ampiasao”, araka ny filamatry ny ministra. Manana asa maro atao ity talem-paritra atsinanana ity araka ny nambaran’ny tale vaovao, ka tena goavana amin’izany ny fampitam-baovao ara-panjakana rehetra. Vokatra izany dia hahazo “emetteur” vaovao hahafahana mamokatra fandaharana mikasika izany sy fandaharana manokana momba ny Toamasina. Fantatra nandritra ity famindram-pitantanana ity koa araka ny voalazan’ny governora izay nandray fitenenana fohy, dia “aoka hiomana isika talem-paritra rehetra fa ho avy tsy ho ela avokoa ny fanafohanana ny fanendrena antsika rehetra, ary hisy ny fanendrena vaovao hitranga…”. Miteraka fitaintainan-dava ho an’ireo talem-paritra isan-karazany izany ankehitriny, ka samy miandry izany ny rehetra ary samy miandry ny andro alarobia fisian’ny filan-kevitry ny minisitra ny rehetra ao anatin’izany.
Malala Didier