- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTalen’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika Toamasina : Mampahafantatra ny asany...

Talen’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika Toamasina : Mampahafantatra ny asany sy ireo harena malagasy amin’ireo mpianatra

“Tena mampivelatra ny fahaizan’ny mpianatra ny fitondrana azy ireo mijery ifotony ny tena zava-misy marina amin’ny lesona omena azy ireo. Ireto kilasy faha-5 ao aminay izao ireto nentina nijery ny karazam-batosoa sy karazam-bato misy eto amintsika ireto, satria izay indrindra izao ny lesona omena azy ireo ankehitriny”, izay no nambaran’ny tompon’andraikitry ny fanabeazana eo anivon’ny sekoly advantista eto Toamasina, raha nitondra ireo mpianany niatrika imaso ireo karazam-bato misy eto Madagasikara teo anivon’ny tale provensialin’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika izy ireo. Nomarihan’ity tompon’andraikitra ity hatrany, fa arakaraka ny leson’ny mpianatra ka misy toerana azy  itondra azy ireo mijery imaso ny tena zava-misy, dia hitondrana azy ireo hatrany; tahaka ny orinasa SKT sy ny valan-javaboaary Ivoloina ho an’ny mpianatra kilasy faha-3 sy taona alohan’ny fahamaranana. “Fifaliana ho anay eto anivon’ny tale provensialy ny harena ambanin’ny tany ny mampahalalana sy manoro ireo mpianatra ny tena zava-misy marina eto aminay, satria hahafahan’ireo mpianatra misafidy ny asa mety ho hataony any aoriana koa izany”, hoy ny tale provensialin’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika, Atoa Amable André, eto Toamasina. Miteraka fikarohana sy fahalinana ary fiitaran’ny sain’ny mpianatra ny mihatrika imaso ny tena zava-misy tahaka izao, ka nampirisihany ireo sekoly hafa ihany koa fa mandray sy vonona hanome ny fanazavana sy ireo fahalalany ho an’ny mpianatra malagasy ny tale provensialin’ny harena ambanin’ny tany sy ny solika eto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici