Nitokona nanomboka ny alarobia maraina teo ny mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny Hoptaliben’i Toamasina Analakininina. Nifampitaona tao amin’ny toeram-piasan’ny tao amin’ny Hopitalibe ireo mpiasa, saingy tao anatin’izay dia nahazo fandrahonana tamin’ny talen’ny hopitaly ny mpiasa vitsivitsy mpitarika ilay fitokonana. Nanoloana izay dia niakatra ny feo tamin’ireo mpiasa mivondrona amin’ny SYNPA na Syndikan’ny mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka » mpitokona, fa « fitakiana syndikaly no ataon’ny mpiasa, mpiasam-panjakana koa no manao izany fitokonana izany, noho izany tsy manana fahefana manaisotra mpiasa izany ny talen’ny hopitalibe, ka noho izany hiamafy ny fitokonana noho ny fandrahonana ataon’ny talen’ny hopitaly aminay », hoy ireo mpiasa mitokona tamin’ny mpanao gazety. Nomarihan’ireto mpiasa mitokona hatrany fa fanatsarana ny karama sy fanondrotana izany ary fandraisana mpiasam-panjakana raikitra ireo mpiasa ECD, no takian’izy ireo amin’izao fitokonana ataony izao. Efa ho roa taona mantsy tsy mba nisy izany ho an’ny mpiasa, hoy hatrany ireto mpiasa mitokona. Eo koa ny fampitovian-jo ny samy mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no takian’ireo mpiasa mitokona. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa saika avy amin’izy ireo avokoa ny tanjaka ahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana, mpitsabo, ary ireo mpiasa samy hafa mampandeha ny asa eo anivon’ny hopitalibe. Ankoatra izany, ny zoma teo dia nanakaton’ireo mpiasa mitokona ny birao rehetra an’ireo mpiasa mpandraharaha samy hafa mba ahatsapan’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny fahasalamana, fa tena ilaina amin’ny fampandehanana ny hopitaly izy ireo.
Malala Didier