- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversTambajotra mpaka an-keriny any Anjozorobe : Misy 19 lahy efa fantatra anarana sy...

Tambajotra mpaka an-keriny any Anjozorobe : Misy 19 lahy efa fantatra anarana sy toerana

Ireo mpaka an-keriny

Ny mahagaga dia tena lavitra ilay faritra hanaovan-dry zalahy ny asa ratsiny no misy azy ireto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Vondron-tobim-paritry zandary « Imerina Central ». Tambajotran-jiolahy nampitondra faisana iny distrikan’Anjozorobe sy ny Manjakandriana iny, kanefa dia any amin’iny faritra Ambohidratrimo iny no fantatra fa mety hisy azy ireo. Na dia tananany aza anefa ity farany dia voalaza ihany koa fa efa nataon’izy ireo lasibatra ihany koa raha ny voalaza. Hatreto dia eo amin’ny 19 lahy eo izy ireo no efa fantatra anarana. Ankoatra ny efa maty voatifitra afak’omaly maraina. Roa lahy izy ireo, jiolahy fantatra amin’ny anarana hoe Ndraza sy Rene kely.

Fantatra fa anisan’ireo dahalo raindahiny, malaza ratsy amin’ny resaka halatra omby sy ny fakàna an-keriny eny ambanivohitra izy roa lahy voatifitra ireto, miaraka tamin’ireo namany. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatomanoina, ny faramparan’ny volana janoary teo ry zalahy. Koa satria efa malaza ratsy izy ireo sy ny ekipany dia niroso

tamin’ny fanadihadiana lalindalina kokoa ireo zandary, hisamborana ny ambin’ity tambajotra ity, izay marihana efa efa miely hatrany amin’iny faritra  Ambohidratrimo iny. Ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina, dia an-dalana hizotra ho any amin’ny kaominina Avaratsena Sahalemaka, distrikan’Ambohidratrimo ireto zandary ireto niaraka tamin’izy roa lahy, izay vonona ny hanoro ny toerana misy ireo namany. Teny an-dalana anefa, nanararaotra ny haizina sy ny lalan-dratsy ry zalahy ka nanararaotra nitsoaka. Efa nandefa fampitandremana ireo zandary kanefa mbola nanao tongotra an-katoka nihazo toerana be hazo izy ireo. Voatery nitifitra araka izany ireo mpitandro filaminana, ka maty tsy tra-drano vokatr’izay ireto olon-dratsy ireto, araka ny fanazavana azo. Mbola mitohy kosa, etsy andanin’izay, ny fanaovana hazalambo ireo namany, voatonon’izy roa lahy tao anaty famotorana savaranonando. Heverina fa ho mora foana hatreto ny hanjonoana azy ireo. Somary niverimberina tokoa ny resaka tsy fandriam-pahelamana tany amin’iny faritra Anjozorobe iny tao ho ao izay, kanefa mailaka sy kinga ihany koa ireo mpitandro filaminana miezaka misoroka hatrany tsy hisian’izay. Tsiahivina mantsy fa vao tsy ela akory izay no nisy mpaka an-keriny  roa lahy ihany koa no  maty voatifitra tany amin’iny faritra iny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici