Inoana fa mety mba hangingina ato ho ato ny resaka vaky fasana, indrindra fa eto amin’ny faritra Analamanga sy ny manodidina. Tambajotra mpangalatra taolam-paty iray indray mantsy no ravan’ny zandarimarim-pirenena tamin’iny herinandro iny. Miisa valo izy ireo ary vehivavy ny iray. Niaiky ireto farany fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ireo vaky fasana maromaro teo an-drenivohitra sy ny manodidina ary tonga hatrany amin’iny faritra Vakinankaratra iny.
Niainga tamin’ny fahatratraran’ny zandary avy ao amin’ny Vondrotobim-paritra Imerina afovoany, ireo roalahy nampiahiahy tany Manjakandriana ny voalohan’ny volana jona teo ny fahazoana izao vokatra izao. Raha tsiahivina kely io tranga io dia nisy roalahy tsy fantatra, nilanja gony nampiahiahy tao amin’ny kaominina Ambohibary. Nampandre avy hatrany ny zandary tany an-toerana ireo mponina ary nidina tany an-toerana ny zandary. Mailo anefa ireto roalahy ka nitsoaka ary efa teo an-dalana handeha hihazo ny renivohitra no voasambotra. Mbola saika hamaly ireo mpisambotra ihany ny iray izay efa nikasa ny hamoaka antsy saingy mailaka ireo mpisambotra ka voafehy ihany ireto olon-dratsy ireto. Tamin’ny fisavàna azy ireo dia nahitàna karazana tapa-by maromaro sy barre-pince, baramina ary vola tsangan’olona iray tany amin’izy ireo. Araka ny filazan’ireto roalahy dia fitaovana fentina mamaky fasana ireo. Efa avy nanao ny asa ratsiny mihitsy ireto farany tamin’izay satria ny ampitson’ny nahatratrarana azy roalahy dia fantatra fa nisy fasana roa vaky tao Ambohibary, ary izy ireo no tompon’antoka. Niroso ihany ny famotorana ka nisy olona iray indray natoron’izy ireo fa namany. Ity farany indray avy eo nanoro ireo mpiara-mamaky fasana amin’ireto farany. Tafakatra valo no isan’izy ireo ka nisy vehivavy iray tao anatin’izany, izay mpamantatra fotsiny izay fasana azo vakiana. Marihana fa ity tambajotra ity no tompon’antoka tamin’ireo vaky fasana maromaro tato ho ato izay. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny tany Manjakandriana, Andriampamaky, Talata Volonondry, Ambohimanga Rova, Anosy Avaratra, Tsiafahy, Andoharanofotsy, Ankadivoribe, Ambohibary ary Antsirabe sy ny maro hafa. Efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana moa ry zalahy sy zavavy ireto ka ireo nadoboka eny Tsiafahy sy Antanimora ireo.
m.L