- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Tambajotra mpamaky trano nikoizana, ravan’ny pôlisy

Soavinandriana : Tambajotra mpamaky trano nikoizana, ravan’ny pôlisy

Efa ela no nampikolay sy nampitondra faisana ireo mponina tao Soavinandriana Itasy tao sy ny manodidina ireto olon-dratsy ireto fa izay vao nisy sahy nitory ny lasibatra. Nandray ny andraikitra avy hatrany ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Soavinandriana Itasy, ary voasambotra soa aman-tsara izy ireo ary nadoboka am-ponja.

Ny faran’ny herinandro lasa teo tokoa mantsy dia nitrangana vaky trano, tao amin’ny fokontany iray tao an-tampon-tanan’i Soavinandriana tao. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izay fotoana izay ny vola fito hetsy mahery teo, niaraka tamin’ny firavaka volamena sy volafotsy, ary « cle usb ». Raha ny fampitam-baovao azo dia vola aman-tapitrisany maro no tena notetehan’ireto olon-dratsy nalaina tao amin’io tokatrano io tamin’izay fotoana izay. Nahazo toromarika mantsy izy ireo, izay tsy avy aiza fa avy amin’ny olona iray miasa tao amin’io trano io ihany ny amin’ny fisian’ireo volabe ireo. Efa azon’ireto olon-dratsy ireto hatramin’ny fomba fidirana tao amin’ilay tokatrano sy ny fitoerana nisy ireo vola mihitsy aza moa tamin’io. Saingy, tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo olon-dratsy dia tsy azon’izy ireo izany vola izany ary tany amin’ny zavatra hafa, ny poketra nisy vola hafa sy firavaka sarobidy ary entana hafa no nalain’ireo olon-dratsy.

Nametraka fitoriana avy hatrany ny lasibatra teny anivon’ny kaomisaria. Nandray andraikitra izy ireo. Noho ny fahaiza-manao sy ny angom-baovao azon’ireto farany dia fotoana fohy monja dia nisy ny voasambotra. Olona nividy ny iray tamin’ireo entana halatra (cle usb), teo am-pampidirana hita teo Avaratsena Soavinandriana. Niainga tamin’ity olona ity no nahafahana niakatra sy nitsimpona tsimoramora ireo tompon’antoka tamin’ilay vaky trano. Roa lahy izay efa malaza ratsy amin’izany asa ratsy. Niaiky ny heloka vitany moa ry zalahy ireto ary nanoro io olona mpiasa tao amin’ilay trano io, ho nanome azy ireo ny toromarika.

Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto tambazotran-jiolahy voasambotry ny pôlisy ireto. Nanapa-kevitra ny hanadoboka am-ponja vonjimaika ireo roalahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana ny mpitsara mpanao famotorana, raha nomena fahafahana vonjimaika ho an’ilay mpanome toromarika sy ireo mpividy entana halatra. Amin’ny 07 novambra ho azy izao kosa no fanaovana fanadihadiana lalina azy ireo, raha ny vaovao azo hatrany ary aorian’izay ny fiakàrana eo anivon’ny Fitsaràna.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici