- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversTambajotra mpangalatra « ordinateurs » : Olona telo voasambotry ny pôlisy

Tambajotra mpangalatra « ordinateurs » : Olona telo voasambotry ny pôlisy

Ravan’ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahatelo, ireo tambajotra mpangalatra solosaina fentin-tanana, izay efa nampikaikaika ny maro. Olona telo, izay mpangalatra sy mpividy no noraisim-potsiny teny Tsarasaotra Alarobia, afak’omaly. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra voalohan’io kaomisaria io, dia efa betsaka no nitaraina tamin’izy ireo. Any amin’ireny karazana fivoriana sy “soutenance” ireny izy ireto no tena manjaka, ary efa tambajotra matanjaka mihitsy. Ny sasany mody mampiresaka sy miseho ho toy ny mpikarakara mihitsy, mba tsy hisian’ny fiahiahiana eo amin’ireo mpizaika. Ny hafa anefa etsy mangorona sy maka ireo solosaina ihany. Rehefa misy mahazo dia samy mivoaka amin’izay izy ireo, hoy ny fanazavana azo. Ireo toeram-pivoriana malaza araka izany no tena lasibatr’izy ireo, toy ny eny Ankatso sy Ivato iny. “Nisy olona nahanfatatra ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireto, ka avy hatrany dia nopaingorina. Tamin’ny fanadihadiana natao azy ireo no niaikeny ny zava-dratsy vitany”, hoy hatrany ny fanazavana azo. Raha ny fantatra, tsy mbola nisy aloha hatreto solosaina  tratra, fa mbola mitohy kosa ny fanadihadiana atao. Nanambara ihany koa ny pôlisy fa mbola misy tambajotra hafa  manohy ny asa ratsiny any ary ahitana vehivavy izy io. Manentana ny olona araka izany ny pôlisy mba ho mailo hatrany, indrindra fa ireo mpikarakara, hanamarina hatrany ireo olona miditra sy mivoaka amin’ireo fivoriana ireny, satria tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Amin’ny alatsinainy izao moa no hatolotra ny Fampanoavana ireo mpangalatra solosaina ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici