Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny zandary mahakasika ilay halatra “sprinter”, niharo famonoan’olona roa, teny Masindray. Fantatra ary fa efa tafakatra 13 ireo olona nosamborina, noho ity raharaha ity, hatramin’ny omaly maraina. Tambajotra matanjaka iray mihitsy ry zalahy ireo ary miandahy miambavy sy ahitana olona isan-tsokajiny avy. Anisan’ireo voasambotra ireo ohatra, ny mpianatra iray eny amin’ny anjerimanontolo. Mampihatra ny fahaizana amin’ny asa ratsiny. Mandeha toy ireny orinasa kely ireny mihitsy ireto olon-dratsy ireto, raha ny fanazavana azo avy amin’ny zandary hatrany, amin’izany fanaovana ny asa ratsiny izany. Misy mantsy ny ekipa efa mpanova fotsiny ireo marika famantarana ny fiara, toy ny laharan’ny “chassis” sy ny môtera. Ao fotsiny indray ireo mpanova ny lokon’ny fiara sy ny mombamomba izany, izay mety mbola hahafantaran’ny tompony azy. Ao kosa ireo ekipa mpanova ny taratasin’ny fiara, ny mpitady mpividy, sns. Anisan’ireo voasambotra ireo ihany koa ny olona mpividy fiara halatra, izay mahalala tsara ny fiavian’ny entana novidiny. Mbola tsy mijanona hatreo anefa, raha ny fantatra hatrany, fa mbola hitohy ihany ny fanadihadiana. Raha tsiahivina dia niandoha tany amin’ny volana novambra lasa teo ity tranga ity. Fiara vao azo, saika hampanaovina zotra nasionaly ity fiara ity. Efa niantsona teo Ambodivona, efa vonona ny hiainga hoany Toamasina izy no nalaina, hanao “special”. Kanjo dia loza sy habibiana no nihatra tamin’ireo mpamily sy ny mpanampy azy, izay marihina fa mpisolo toerana. Lasan’ireo olon-dratsy ny fiara ary novonoiny ho faty ireto farany. Ny fanampim-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany no nahafantarana fa narary tampoka ilay mpanampin’ny mpamily izay tokony handeha tamin’io fotoana io. Ity farany ity ihany koa no nilaza ho nahita ilay fanofàna fiara nitondra tany amin’ny fahafatesana. Efa tena maty paika tanteraka araka izany ity halatra fiara niharo famonoana ity. Hatolotra tsy ho ela ny Fampanoavana ireto olona voarohirohy ireto. Halatra fiara, fikambanan-jiolahy, ary famonoana olona feno habibiana no hanenjahana azy ireo.
m.L