
Ny volana oktobra, ny taon-dasa iny no nijoko moramora teo an-tokontany ilay môtô ary tsy hita intsony. Ny voalohandohan’ny volana teo anefa no nisy nivarotra tao anaty tambajotra sosialy ilay môtô very. Niainga teo ny fanadihadiana, nahafahan’ny zandary nandrava tanteraka ireto tambajotra, mpangalatra, mpividy ary mpivarotra môtô halatra ireto teny amin’iny faritra Ivato iny. Mazava tsara ny voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana : mitovy eo anatrehan’ny lalàna ny fanenjehana ireo mpangalatra sy mpividy halatra. Tamin’ity tranga tetsy Ankadindravola Ivato ity, dia fantatr’ireto olona ireto tsara fa fitaovana tsy misy taratasy ara-dalàna sy azo tsorina hoe môtô halatra no vidian’izy ireo sy namidy indray avy eo kanefa dia mbola nirobohana ihany. Raha ny zava-nisy : olona iray no very môtô teny amin’iny faritra Ankadindravola iny ary nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary. Nandeha ny fikarohana. Telo volana latsara taty aoriana, nisy nivarotra tao anaty Facebook ilay môtô. Nojonoina ilay mpivarotra ary voasambotra. Teo no niainga ny tantara. Nanambara mantsy ity farany fa môtô novidiany tamin’ olona, tamin’ny volana desambra izy io. Saingy efa tsy eo am-pelatanany intsony indray fa efa natakalony môtô hafa azony tamin’olona hafa. Môtô izay tsy misy taratasy ihany koa. Nosamborina avy hatrany io olona ary efa teo am-pandokoana sy fanovàna endrika ilay kodiaran-droa izy no tratra. Nitohy hatrany ny famotorana ary niafara tamin’ny fisamborana an’ilay olona voalohany nivarotra ity môtô very ny tantara. Voalazan’ny zandary fa mbola nahitàna môtô hafa ihany koa tao amin’ity farany, tsy nisy taratasy ihany koa ary tsy fantratra na avy aiza na avy aiza. Azo heverina fa efa fanaony araka izany ity asa ratsy ity. Notanana natao famotorana avokoa moa izy telolahy ireto, araka ny voalazan’ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany. Efa naverina tamin’ny tompony kosa ny môtô iray, raha tsy mbola fantatra kosa na an’iza na an’iza ilay môtô roa hafa tratra tany amin’izy ireo.
m.L



