- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTambajotra sosialy : Nitory ny banky noho ny fisandohana

Tambajotra sosialy : Nitory ny banky noho ny fisandohana

Vetivety dia nanintona olona ny fisian’ny filazàna fa hizara fanomezana maro ny banky iray. Taitra ny maro satria raha araka ny fanazavana tao anatin’ilay pejy facebook dia finday avo lenta marina Iphone 14 aman’arivony no hatolotra ireo izay mandray anjara. Tsy izany ihany fa mbola nisy filazàna koa fa hisy bisikileta elektrika aman’arivony hafa koa. Haingana dia maro ny olona roboka ary nifandrombahana ny fandraisana anjara izay faran’izay tsotra : manoratra « te » eo amn’ilay pejy amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Dia tena misy sary doka izay misy ny famantarana manokana ilay banky tokoa ampiasian’ireo mandrindra izany. Nivoaka tamin’ny fahanginany ilay banky izay voakasika ary nanao fanambaràna ofisialy fa tsy mitombina ny fisian’ilay fanomezana amin’ny anarany. Mpisandoka no nanao izany ary efa nisy ny fitoriana an’izany eo anivon’ny cybercriminalité. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny tena tanjona na dia azo eritreretina aza fa mety ho fikasàna hamotika ny lazan’ilay banky voakasika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici