Mivoatra tanteraka ny fiasan’ny jiolahy eto Andrenivohitra. Loharanom‐baovao akaiky ny mpanao fanadihadiana, mahakasika ny fahatrarana jiolahy maromaro tamin’ny faran’ny herinandro teo ka hatramin’ny afak’omaly no nahazoana ilay fanazavana hafakely. Isan’ny nivoaka tamin’izany ny asa andavan’andro ataon’ireo olona anatin’ilay andiany rehefa antoandro ny andro. Ny iray lehilahy mpamily taxi, ny faharoa vehivavy mpivarotra fahana na koa ireny mpitazona taxi‐phone ireny, ny fahatelo mpitantana ireny toeram‐pilanonana “karaoké” ireny ary mbola misy sasany hafa tadiavina izay tsy mifanalavitra amin’izany ny asan’izy ireo. Amin’ny ankapobeny dia entina hanakonana ny asaratsiny avokoa ireo asa fanao andavan’andro hahafantaran’ny mpiara‐monina sy ny manodidina azy ireo io. Fa aorian’izany dia heloka bevava avokoa no tena fidiram‐bolan’ireo olona nivondrona ho andian‐jiolahy. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia mety amin’izy ireo io asa io, satria hahafahany
manangona ny vaovao izay ilainy. Toy ilay vehivavy manao taxi‐phone ohatra, nataony eo akaikin’ny karàna mpanefoefo etsy Andravoahangy ny varotra nataony. Isan’andro izy dia mandinika ny fiainan’ilay fianakaviana hatao lasibatra : ny ora fivoahana, ny ora fiverenana ao an‐trano, ny isan’ny mpiambina, ny fiara ampiasaina sns… Rehefa voafehiny tanteraka izany dia entiny any amin’ireo mpiara‐miasa aminy amin’izay ary eo no hanaovana ny paika entina hanafihana. Tsy fanafihana ihany
anefa no tena manavanana ilay andian‐jiolahy voakasika eto fa indrindra koa ny fakàna an‐keriny. Misy naman’izy ireo hafa mihitsy indray mivadika fivavahana tanteraka ary manao ireny akanjo lava fanaon’ny karàna ireny mba hahatafidirany any anaty trano fivavahan’ireo lasibatra. Mandinika sy maka vaovao no tena tanjona amin’izany, ary mety maharitra ela izany mihitsy aza izany fanara-hamaso izany. Fa ny isan’ny tena nahatalanjona dia ny fanazavan’ny voasambotra, raha araka ny loharanom‐baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana hatrany, ny fomba fanafenana sy ny niavian’ireo basy : any amin’ny trano fivavahana! Notanan’ny mpitandro ny filaminana ho tsiambaratelo izany toerana izany, satria mandeha tsikelikely ny fanadihadiana. Ny tsilian‐tsofina kosa no nahafantarana, fa tsy isan’ireo fiangonan‐dehibe kristiana izany. Arahina hatrany ny
fivoaran’ny raharaha.
D.R
Tambajotran‐jiolahy : Afenina any anaty toeram‐pivavahana ny basy
Articles qui pourraient vous intéresser