- Publicité -
jeudi, janvier 22, 2026
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Tambajotran-jaza tsy ampy taona, manendaka sy mangarom-paosy

Antsirabe : Tambajotran-jaza tsy ampy taona, manendaka sy mangarom-paosy

Efa manao fanazaran-tena mihitsy izy ireo ka tena mailaka amin’ny asa ratsiny … Ao anatin’ny hetsika manokana entina hiadiana amin’ny resaka tsy fandriampahelamana manerana ny Nosy dia nahitàm-bokany izany tao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra tao. Ankizy kely tsy ampy taona maromaro no voasambotra. Tambajotra mpangaraom-paosy…

Efa mampikaikaka ny mponina tokoa ny asa ratsin’ireo tontakely ao an-tsena Sabotsy, Antsirabe, raha ny fantatra. Indrindra moa ny afitsok’ireo mpangarom-paosy. Mazava ho azy fa ireo mpiantsena no tena lasibatra. Efa matetika loatra ny fitarainana voaray, hoy ny pôlisy ka tsy maintsy nametraka paikady izahay entina hipaingorana ireo mpanao ratsy. Polisy manao fanamiana sivily maromaro araka izany no nahetsika ary nasaina nisafo tao an-toerana. Vokany, enina tamin’ireo mpanao ratsy no tratra ambodiomby ary nosamborina avy hatrany, ny faran’ny herinandro teo. Ny nahazendana dia saika zaza tsy ampy taona avokoa izy ireo, hoy ny fampitam-baovao. « Araka ny fantatra nandritra ny famotorana azy ireo dia efa manao fanazaran-tena ka tena mailaka amin’ny harom-paosy ireto zaza ireto ka ilaina ny mailo hatrany rehefa eny an-tsena ». Mazava ho azy fa nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy avy hatrany ry zalahy ireto ary natolotra ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona ho amin’ny fanadihadiana sy ny famotorana azy. Heverina anefa tsy ireto ihany no tena mpanao ny ratsiny ao fa mbola misy namany ao. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana sy ny fisafoana ataon’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter