- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversTambanjotran-jiolahy mpisoloky : Mpanera telolahy teo amin’ny Faritany, noraisim-potsiny teo am-pampiasana kara-panondro...

Tambanjotran-jiolahy mpisoloky : Mpanera telolahy teo amin’ny Faritany, noraisim-potsiny teo am-pampiasana kara-panondro hosoka

Ravan’ny mpitandro filaminana avy etsy amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa, ny tambajotran-jioalahy, isan’ireo mpisoloky gaigilahy eto an-drenivohitra, ny faran’ny herinandro lasa teo. Telo izy ireo ary mbola misy namany hafa karohina amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana azo avy amin’ny loharanom-baovao akaiky ireo mpitandro filaminana. Izy telolahy ireto, dia samy karazan’irony mpanera sy mpanelanelana amin’ireo olona mikarakara taratasy eny amin’ny Faritany, Ambohidahy. Volabe efa tsy toko tsy forohana no azon-dry zalahy ireto, raha ny fantatra hatrany. Tsy vitan’izay anefa, fa efa avy nisoloky vola tamin’ireo toerana fampindramam-bola madinika ireny ihany koa ry zalahy ireto. Ny zoma lasa teo no nahazoana ny iray tamin’izy telolahy, teny Ambohitsoa, raha teo am-panaovana fisavana toy ny mahazatra ireo mpitandro filaminana. Nahitana karam-panondro roa mantsy tany amin’ity lehilahy manodidina ny 35 taona ity; izay nahitana anarana samy hafa saingy sary mitovy. Ny mahavariana, raha ny loharanom-baovao hatrany dia tsy natao “copie” izy ireto fa dia nomena ara-dalàna mihitsy ary misy sonia sy fitombokana tompon’andraikim-panjakana. Niainga teo araka izany ny fanadihadiana. Niaiky ity olona tratra ity fa ampiasan’izy ireo hisolokiana olona ireto kara-panondro hosoka ireto. Tamin’izany ihany koa no nanoroany ireo namany hafa, izay voasambotra ny sabotsy sy alahady lasa teo, teny Ambohidahy sy Andoharanofotsy. Hatolotra ny Fampanoavana anio izy telolahy mpisoloky sy mpanao hosoka ireto raha ny fantatra hatrany. Tsy mijanona hatreo anefa ny fanadihadiana, fa mbola misy olona hafa karohina. Ny hirariana fotsiny dia mba tena ireo atidoha sy olon-dratsy ambony latabatra no ho tra-tehaka mba tsy hisian’ny hafa mipoitra indray. Efa tsy vitsy tokoa mantsy no mitaraina fatratra sy efa very vola aman-tapitrisany maro amin’ny ataon’ireo mpanera eo Ambohidahy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser