- Publicité -
samedi, août 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimandroso Amparafaravola : Tambazotra mpaka an-keriny ravan’ny pôlisy

Ambohimandroso Amparafaravola : Tambazotra mpaka an-keriny ravan’ny pôlisy

Vehivavy telo, lehilahy roa, ireo no olona voarohirohy, voasambotry ny pôlisy mahakasika resaka fakàna an-keriny tao Ambohimandroso, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro ny herinandro lasa teo. Ny efatra amin’izy ireo no voalaza fa ati-doha nikotrika ilay fakàna an-keriny zaza, raha isan’ireo mpiray tsikombakomba kosa ny vehivavy iray. Araka ny vaovao nomen’ireo mpitandro filaminana dia nisy trangana fakàna an-keriny tao amin’io tanana io ny andron’ny 13 aogositra lasa teo. Ankizivavy kely vao dimy taona monja no lasibatra tamin’io fotoana io izay nentin’ireo tsy olon-dratsy nitsoaka. Fotoana fohy taorian’io ihany dia nisy niantso ny fianakavian’ity zaza ity fa izy ireo no mitazona ilay zaza ary mitaky vola izy ireo ho saran’ny famotsorana azy. Vola manodidina ny 150 tapitrisa ariary teo ho notakian’ireo mpaka an-keriny saingy nisy ady varotra ka nilatsaka any amin’ny 50 tapitrisa ariary izany. Nandritra ny fotoana nifampiresahan’ireo fianakaviana sy ireo mpaka an-keriny anefa dia efa nampandrenesina ny pôlisy, izay nandray andraikitra avy hatrany tamin’ny alalan’ny fametrahana paik’ady ho enti-manavotra ilay zaza sy hisamborana ireo jiolahy. Nanaiky io vola 50 tapitrisa ariary io ireo olon-dratsy, ary hamotsotra ilay zaza. Nifanarahana ny fotoana sy ny toerana hanaterana ny vola sy hanaovana ny fifanakalozana. Ny tsy fantatr’izy ireo anefa dia tamin’izay fotoana izay ihany koa dia efa nipetrapetraka ihany koa ny paik’adin’ireo mpitandro filaminana. Tsy niandry ela akory araka izay dia voapaingotra ny olona efatra izay, izay anisan’ireo tompon’ny « ketrika » tamin’ity fakàna an-keriny ity ary taorian’izay dia nisy iray hafa. Raha ny angom-baovao azo dia toa hoe olona tsy lavitr’ireo fianakaviana lasibatra akory ireto olona voasambotra ireto Notanana natao famotorana avy hatrany moa izy ireo ary natolotra ny Fampanoavana taorian’izay, ny andron’ny alarobia lasa teo. Nadoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka moa ny efatra ary arahi-maso ara-pitsaràna kosa ny iray. Voalaza fa mbola misy mpikambana ao anatin’ity tambazotra mpaka an-keriny ity karohina fatratra amin’izao, raha ny vaovao voaray hatrany. Tsy nijanona hatreo araka izany ny fanadihadiana fa mbola mitohy.

m.L

 

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici