- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTambin-karama 65.000 ariary nivadika ho 2.700 ariary : Mitokona ireo mpampianatry...

Tambin-karama 65.000 ariary nivadika ho 2.700 ariary : Mitokona ireo mpampianatry ny lisea sy Epp eto Toamasina I

Raikitra ny sakoroka tao amin’ny lisea Jacques Rabemananjara sy ny lisea teknika teto Toamasina renivohitra, ny alatsinainy teo, raha tonga avy naka ilay tambin-karama 65.000 ariary nolazain’ny filoham-pirenena mba hanaovan’ny mpiasam-panjakana fetin’ny faran’ny taona sy ny taona vaovao ireo mpampianatra sy mpanabe. Raha ho an’ny lisea Jacques Rabemananjara manokana dia vola 800.000 ariary no nalain’ny praovizera teo anivon’ny DRENATP Atsinanana hozaraina amin’ireo mpampianatra sy mpanabe  289. Raha natao anefa ny kajy dia tsy misy afa-tsy 2.700 ariary izany no anjaran’ireo mpampianatra sy mpanabe rehetra eo anivon’ny lisea Jacques Rabemananjara. Ny tena nahagaga ireto mpampianatra ireto, dia ireo mpiasa birao hatramin’ny mpiambina ary ireo talen-tsekoly samihafa dia feno ny volan’izy ireo, fa ireo mpampianatra mpandray “la craie” ihany izao tsy nahazo afa-tsy 2.700 ariary izao, izay tsy noraisin’izy ireo fa naverin’izy ireo teny anivon’ny DRENATP Atsinanana. Vokatr’ izay dia efa nanomboka tsy nampianatra izy ireo ny alatsinainy 06 janoary tolakandro teo, ary nilaza ny tsy hampianatra mihitsy raha tsy mazava sy feno ny vola 65.000 ariary nampanantenain’ny filoham-pirenena ho an’ny mpiasam-panjakana ara-dalàna rehetra manerana ny Nosy. Mitovy amin’izany koa ny an’ireo mpampianatra sy mpanabe eo anivon’ny Epp sy ny lisea teknika, ka amin’ireto mpampianatra sy mpanabe ireto dia tena fanaovana tsinontsinona azy ireo sy fanambaniana ny maha-olombelona azy mihitsy no nataon’ny fanjakana sy ny minisiteran’ny fanebeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika. Ankoatra izany anefa, dia efa in-13 nampanaovina taratasy tamin’ny fanisana  mpiasam-panjakana matoatoa izy ireo ny taona lasa iny teo anivon’ny minisitera.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici