- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Ahiana hisy hanapoaka ny fivarotan-tsolika

Tanà : Ahiana hisy hanapoaka ny fivarotan-tsolika

Tonga teny am-pototsofin’ny tompon’andraikitry ny mpitandro ny filaminana, ny fisian’ny andian’olona izay mikasa ny hanakorontana eto an-drenivohitra, ka mikendry ny hanapoaka fivarotan-tsolika maro. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina mahakasika an’izany, ka ny fanamafisana ny fiambenana ireo toerana no tena nivaingana. Saika nahitana mpitandro ny filaminana avokoa ireo fivarotan-tsolika teto an-drenivohitra, nanomboka ny alin’ny alarobia teo.  Nampitomboina ihany koa ny fisafoana eny amin’ny manodidina an’ireny toerana ireny. Raha araka ny  fanahian’ny mpitandro ny filaminana, dia ny hetsika tany Toamasina no tena nahiana ho tonga teto an-drenivohitra. Izany dia mahakasika ny hatezeran’ny olona tamin’ny delestazy, ka nahatonga korontana tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Na dia tsilian-tsofina fotsiny ihany aza ny fandrenesana fa mitady ho tonga aty Tana ilay hetsika, avy hatrany dia namafisina ny fiambenana.
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser