- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Be loatra ny lozam-pifamoivoizana moto

Tanà : Be loatra ny lozam-pifamoivoizana moto

Ny faran’ny herinandro ka hatramin’ny omaly maraina dia efa nahatratra efatra ny mpandeha moto izay nitondra faisana. Tao ny namoy aina ary koa ny miady amin’ny fahafatesana. Tetsy Ambohimanga-Rova, teo amin’ny RN3 PK14+900 dia maty ny lehilahy iray 30 taona rehefa nifandona tamin’ny kamiao ny moto nentiny. Tao anaty fiolanana no nitranga ny loza. Avy any Sabotsy Namehana ny kodiaran-droa ary saika hizotra ho any Talata-Volonondry no io nidiran-doza teo Ambohimanga io. Notazomina ny mpamily ilay kamiao ary nanokafana fanadihadiana. Raha ny tsilian-tsofina re tamin’ny mpanao fanadihadiana dia mety ho nisy olana ara-teknika ihany nitranga tamin’ilay moto. Ny fianakavian’ny maty rahateo, raha ny filazan’ireo dia nanapa-kevitry ny tsy nitory. Na izany aza anefa, satria nisy fahafatesan’olona, dia tsy maintsy notohizana hatramin’ny farany ny fanadihadiana. Tetsy amin’ny By-pass indray omaly maraina dia tafiditra tao ambanin’ny fiara ny mpandeha moto. Nentina nankany amin’ny hopitaly avy hatrany ireo ary tsy afa-nihetsika ny fitaovam-pitaterana satria loza niteraka faharatràna no nitranga. Somary tapaka ny làlana vokatr’izany. Feno rà hita koa teo an-toerana. Ny farany dia tetsy Amparibe, mitovy tanteraka avokoa ny fitrangan’ny loza : tafiditra tao ambany fiara ny moto. Dia azo sary an-tsaina amin’izany ny mety ho fahavoazan’ny mpitaingina azy. Tsy misy andro iray intsony ka tsy itrangan’ny loza toa izany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Rehefa mandeha ny adihevitra dia samy mifanipy baolina eo ny roa tonta, ny mpamily fiara sy ny mpitaingina moto. Mila fandinihina lalina mba hivoahan’ny fepetra matotra satria miteraka olana ara-piarahamonina ny tsy firindràn’ireo fitaovam-pitaterana roa ireo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici