- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Faritra mena izay aleha rehetra

Tanà : Faritra mena izay aleha rehetra

Jerem-potsiny sisa ny mpanendaka ary saika misy azy ireo izay aleha rehetra. Tamin’ity herinandro ity fotsiny dia efa nandratra olona izany na tamin’ny daroka na tamin’ny zava-maranitra, teny 67ha, Andravoahangy ary Anjanahary. Ireo no fantatra, satria na nisy nahazo sary na nisy naka « vidéo ». Betsaka ny heno ankoatra izay fa kosa nisafidy ny nangina ny olona dia nitsabo izay naratra. Betsaka ihany koa ireo voasambotra saingy toa tsy nampihemotra ny mpanao ratsy izay maniry ohatra ny anana izany eto an-drenivohitra. Ny tena sarotra inoana dia toa lasa eken’ny mponin’an-drenivohitra ankehitriny ny fisian’ny mpanendaka ho isan’ny ao anatin’ny andavanandrom-piainan’izy ireo. Toa ny tetsy Analakely, raha mba nahasambotra mpanendaka ny tovolahy mafy iray, tsy mba nisy nanampy izy nanatitra izany teny amin’ny polisy. Tsy vitan’izany aza fa toa izy indray no nahazo tsiny sy saika nivadihan’ny olona satria nolazaina fa mampijaly ny madinika. Rehefa nodinihina anefa dia toa efa mpiray tsikombakomba amin’ilay jiolahy ihany koa ireo olona eo amin’ny manodidina ny toerana fanendahany, indrindra ireo mpivarotra. Faritra mena amin’ny asan-jiolahy izay aleha rehetra ankehitriny, indrindra raha vao mody ny masoandro. Mila jeren’ny tompon’andraikitry ny filaminana maika ny paik’ady hiadivana amin’izany satria tsy mendrika izany ny renivohitra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici