- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanà : Feno môtô voadona omaly

Tanà : Feno môtô voadona omaly

Analakely, By-pass, Besarety. Nahitàna lozam-pifamoivoizana izay nandratràna mpitaingina kodiaran-droa avokoa ireo omaly sy ny alin’ny alakamisy hifoha zoma. Saika nitovy avokoa ny fitrangan’ny loza dia ny fifandonana tamin’ny fiarakodia izany. Nitovy koa ny zava-nitranga dia ny fitondràna ny naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana izany ary ny fanadihadiana nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ny mpamily. Tsy misy miova ny zava-misy fa ny isan’ny tranga no mivadibadika ary tena mampanahy. Lasa isan’andro mantsy, indrindra hatramin’ny niandohan’ity herinandro ity, no niharan-doza ny mpanamory kodiaran-droa sasany eto an-drenivohitra. Vao ny alatsinainy sy talata teo no nisy namoy aina. Raha mba noeritreretina fa mba samy hitandrina avokoa ny mpampiasa làlana (fiara sy môtô) raha nahita ny akon’ireny, vao mainka nisesy indray ny loza andro vitsy taorian’izany. Tetsy Ambohidratrimo koa aza dia môtô roa no nifandona ary soa fa mba tsy nisy aina nafoy fa kosa samy naratra mafy ny mpitaingina roa tonta. Tetsy amin’ny làlana mihazo ny seranam-piaramanidina Ivato dia nisy mpitandro ny filaminana nandeha môtô ary nianjera rehefa nodomin’ny fiara. Izany rehetra izany dia mbola manamafy fa feno lozam-pifamoivoizana teto Tanà sy ny manodidina tato ho ato. Mandeha ny fanovàna fitsipika manoloana ny zava-nitranga nifanesy. Isan’izany ny tsy maintsy hananan’ny mpanamory kodiaran-droa taratasy fahazoan-dàlana mitondra môtô, atsy ho atsy. Efa notakian’ny lalàna ihany izany hatrizay fa ho an’ny mpampiasa môtô izay mihoatry ny 125cc ny tanjany. Mety ho vahaolana hahomby ve?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici