- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Feno mpiasa an-trano karohina

Tanà : Feno mpiasa an-trano karohina

Betsaka ny fitarainana sy fikarohana ankehitriny. Izany dia mahakasika ny halatra nataon’ny mpiasa an-trano, vehivavy avokoa no voakasik’izany. Isan’izany ny fangalaran’ilay mpanampy ny vola tsara pirina tao amin’ny tokantrano iray teto an-drenivohitra izay mitotaly enina tapitrisa ariary. Tsy hita izay nanjavonany ary soa ihany fa mba nanana ny sariny ny mpampiasa azy ka iny no nahafahana nampita vaovao tany amin’ny mpitandro ny filaminana ary koa naparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Ny faharoa indray dia ny entana ao an-trano mihitsy no notateriny tsikelikely. Ny fomba fiadiny dia tsotra ihany : atao anaty sachet mainty isaky ny miantsena ny entana halatra. Afenina any ivelany any avy eo ary rehefa betsabetsaka dia iny amin’izay no tsy miverina ao amin’ny fiasàna intsony. Mitovitovy amin’izay koa ny tranga fahatelo izay mbola teto an-drenivohitra ihany. Ny an’ity mpanampy ity indray dia ny fitoeram-bola, ny misy ny firavaka ary ny « tablette » fampiasan’ny ankizy tao an-trano no nataony lasibatra. Feno mpiasa karohina ankehitriny ary ny mety ho antony dia ny fanakaikezan’ny vanim-potoanan’ny famadihana. Mitady vola izy ireo mba hoentina mifety ary vola maika izany. Betsaka ny lasa manaotao foana. Etsy ankilan’izany koa, mora lotra ho azy ireo ny mitady asa eto an-drenivohitra satria betsaka ny tinady. Ny olona koa anefa matoa mitady azy ireny dia hikarakara sy hiandry ny trano no tena tanjona. Dia tafiditry ny olon-dratsy mora foana araka izany ny trano maro ary mirarakopana ny halatra…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici