- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversTana : Fipoahana tsy fatam-piaviana nampikorotan-tsaina

Tana : Fipoahana tsy fatam-piaviana nampikorotan-tsaina

Na ny mpitandro ny filaminana aza vaky vava. Nokarohina ny fiavian’ilay fipoahana ary tsy hita mihitsy. Ny teny amin’ny tanàna ambonin’andrenivohitra no tena naheno ny akon’izany. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo no nirefodrefotra, tsy fantatra mihitsy hatreto na basy na tsipoapoaka na koa afomanga. Marobe ny olona ny niantso ny mpitandro ny filaminana ary tao anatin’izany no nihetsika hatramin’ny hery vonjy taitra. Natao ny fikarohana ny fiavian’ny fipoahana saingy tsy nety hita mihitsy. Nandeha ny feo fa mifanakaiky ny lapan’Ambohitsorohitra izany ary natao ihany ny fikarohana saingy nandamoaka. Napetraka ny fihevitra fa afomanga no narefotra. Nojerena anefa ny lanitra tsy nisy tamigan’izany mihitsy. Fanina tanteraka na ny mponina na ny mpitandro ny filaminana. Nikaroka erak’andrenivohitra izahay saingy tsy nahita mihitsy, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana izay tafaresaka taminay. Ny tena nahian’ny mponina dia ny hoe nisian’ny fanafihana ny lapa satria raha ny fahenoana ny feo dia teny amin’ny manodidina an’Antsahamanitra sy Ambohitsorohitra iny ny fahenoana azy. Raha ny tombana hatreto dia afomanga izay tao anatin’ny fety no nandeha. Tsy nisy mihitsy mantsy fitarainana izay nandeha tany amin’ny mpitandro ny filaminana, na izany mahakasika ny fanafihana mitam-piadiana na koa izany mahakasika ny fitifirana olona. Nivorian’ny mpitandro ny filaminana mihitsy io raharaha io omaly ary noezahina ny namantatra ny fiaviany. Nanakorotan-tsaina ny olona maro ny fisian’ny fipoahana, indrindra amin’izao fotoana izay anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana izao. Ny nandehanan’ny sain’ny maro dia ny hoe nisy mpanakarena nanao fety indray angamba tany ho any ary nampiasa afomanga. Nisy fierana tamin’ny fokontany sy ny ambaratongam-pahefana mifanandrify amin’izany ve? Mipetraka ny fanontaniana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici