- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversTana : Mbola hitombo ny fitohanana

Tana : Mbola hitombo ny fitohanana

Efa maro amin’izao fotoana ny mimenomenona noho ny fitohanana eto an-drenivohitra, amin’izao ankatoky ny fety izao. Eo ny fiakaran’ny olona avy any amin’ny faritra mba hividy entana eto Tana. Eo ihany koa ny famoahan’ny olona fiara noho ny fahavaratra. Hatreto anefa dia tsy dia hita mivaingana izay mety ho vahaolana noraisin’ny tompon’andraikitra, ankoatra ny fampitomboana ireo mpandrindra ny fifamoivoizana. Fantatra fa mbola hitombo ny hetsika hokarakaraina eto an-drenivohitra manomboka amin’ny herinandro ho avy izao. Ao ny tsena isan-karazany, ao ihany koa ny fampisehoana eo ampovoan-tanàna. Midika izany fa mbola hitombo ny fitohanana, indrindra koa manoloana ny fepetra izay tsy dia hita mivaingana loatra sy ny lalana simban’ny orana. Mila fiheverena…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser