- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Mbola maro ny môtô tsisy "rétroviseur"

Tanà : Mbola maro ny môtô tsisy « rétroviseur »

Omaly fotsiny, tamin’ny toerana sasantsasany teto an-drenivohitra, dia efa nahatratra 270 ny isan’ny kodiaran-droa izay tsy nisy fitaratra fijerena izay any aoriana. Notazonina ny môtô ary ny olona kosa afaka nandeha. Saingy nasaina nividy « rétroviseur » izay apetaka avy hatrany eo imason’ny polisy, izay vao afaka niala teo an-toerana miaraka amin’ny fananany. Etsy andanin’izany dia mbola nisy koa ny tsy nanao aroloha, miisa dimy izany raha araka ny tatitry ny polisy hatrany. Iny indray dia avy hatrany dia ny sazy mifandraika amin’izany no nomena fa tsy dia nila fanentanana intsony. Ny farafahakeliny ilain’ny mpandeha kodiaran-droa mantsy ny fisian’ny aroloha ary tsy lalàna vaovao izany ka mila mbola ampahafantarina akory. Tao ireo tsy misy jiro, fepetra izay takiana andro aman’alina anefa ho an’ny môtô ny fandefasana an’izany raha vao mihetsika. Nisy koa ny nisy aroloha saingy tsy nifatotra. Ireny indray dia nanaovana fanentanana tsotsotra ary nampitandremana fa mitovy amin’ny tsy manao aroloha ihany rehefa mianjera raha toa ka tsy mifatotra io fiarovana io. Farany dia ny tsy fanaovan’ny sasany akanjo lava izay manafina ny tànana sy ny tongotra ary koa ny tsy fanaovana kiraro. Momba izany dia mbola nomena fanentanana koa ireo olona izay tsy nanara-dalàna aloha. Isan’ny mamono olona ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa eny an-tanan-dehibe, indrindra eto an-drenivohitra. Ankoatra ny fitandremana dia ireo voalaza ireo ny fitaovana farafahakeliny mba entina hiarovana ny vatana rehefa mampiasa azy ireny. Efa mba miezaka ny mpandeha môtô sasany raha ny tsikaritra eny an-dalambe.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici