- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTana : Mifangaro foana ny feom-basy sy afomanga

Tana : Mifangaro foana ny feom-basy sy afomanga

Manakorotan-tsaina ao anatin’ny alina.

Intelo raha kely indrindra no nisahotaka ny sain’ny olona tamin’iny faran’ny herinandro iny noho ny fifangaroan’ny feom-basy sy ny afomanga. Nisy mihitsy aza ny nampandre mpitandro ny filaminana ary tao koa ny nihorohoro ka nizara ny vaovao tamin’ny tambajotra sosialy. Rehefa nandeha anefa ny fanamarinana rehetra dia olona nanao fety avokoa no nanapoaka ireo afomanga izay noheverin’ny olona ho feom-basy. Tetsy amin’ny manodidina ny 67ha sy tetsy Ambohimangakely no tena nampihoron-koditra ny maro. Tao no nilaza fa feom-basy in-dimy no henony ary nifindrafidra, ilay tetsy 67 Ha io. Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny tetsy Ambohimangakely. Samy afomanga avokoa anefa ireo rehefa tena nozohina ny fiaviany. Ny fanontaniana nipetraka ao anatin’ny sain’ny maro dia ny hoe mba nahazo alàlana tamin’ny fokontany ve vao nanapoaka afomanga ireo tompom-pety? Etsy andanin’izany, raha mangataka alàlana koa ve dia tsy maintsy omena sa kosa mila fepetra momba ny filaminam-bahoaka mba tokony hojerena? Vaninandron’ny ririnina izao ary betsaka ny manao hasoavana ny zanany. Mitady ho lasa lamaody ny fanapoahana afomanga eto an-drenivohitra, miteraka fikorontanan-tsaina anefa izany ho an’ny olona izay tsy mahafantatra, indrindra amin’izao fotoana izay mbola ady mafy ny tsy fandriam-pahalemana. Mba tokony misy fepetra horaisina ihany. Fety ho an’ny sasany ilay izy ary voninahitra ho an’ny fianakaviana saingy miteraka kosa tsy filaminam-bahoaka ho an’ny hafa. Indrindra koa ao anatin’ny alim-be hatrany no anapoahana ny afomanga.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici