- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTana : Miverina indray ny “pointe”

Tana : Miverina indray ny “pointe”

By-pass, marais Masay ary Analakely. Nahatsikaritra an’izany avokoa angamba ny mponin’Antananarivo. Miverina tanteraka ankehitriny ny “pointe” amin’ny fiara sy moto eto an-drenivohitra. Ny etsy amin’ny by-pass, mazava ho azy, dia eo amin’ny lalam-pirenena mihitsy no mifandahatra ny fiara haingam-pandeha, ary misy mihitsy aza ny miloka. Etsy Masay indray dia matetika ny moto no tena mifampitsapa eo. Ireo làlana roa ireo dia efa samy namoizana ain’olona maro avokoa. Vao tamin’ny alatsinain’ny pentekoty teo, ohatra, no nisy mpandeha an-tongotra namoy ny ainy rehefa nofaohin’ny moto bol d’or. Etsy Analakely indray rehefa alina dia tsy fifaninanana loatra fa kosa ireo mpisetrasetra amin’ny fiara sy moto no tena betsaka. Eny anefa no toerana isan’ny be olona indrindra na amin’ny alina aza. Misy ny mpitandro ny filaminana saingy rehefa mandalo eo amin’ny hafainganam-pandeha 120km/h ohatra ny fiara iray, tsy misy na inona na inona azon’izy ireo atao…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser