Mivoatra hatrany ny fitrangan’ny halatra eto an-drenivohitra. Ankehitriny dia efa vitan’ireo olon-dratsy indray koa ny mampiasa ireo seky halatra. Na sinto-mahery na avy amin’ny halatra izay ataon’ny olona tsy lavitra ihany matetika no maha-very ny seky. Vitan’ny olon-dratsy ny mividy entana amin’iny avy eo. Raha ny fitarainan’ny mpivarotra marobe dia misy voasoloky hatrany amin’ny 10 tapitrisa ariary izy ireo. Ny fanaon’ireo mpangalatra indray dia miandry ny firavan’ny mpiasa izy. Aloha kelin’izay no tonga mividy ireo entana. Efa dodona ny hody amin’iny fotoana iny ny eo amin’ny “caisse” hany ka tsy mijery firy intsony ny momba ilay ravina seky. Mampiasa karatra sandoka ihany koa izy ireo ary mifanaraka tsara amin’ny anarana eo amin’ilay seky. Izay rehetra izay no mitambatra dia lasa manamora ny asa fisolokiana ataon’ireo olon-dratsy. Hatreto dia orinasa mpivarotra kojakojan-tokantrano, mpivarotra akanjo lamaody ary koa ireny mpivarotra finday avo lenta ireny no tena lasibatra. Nametraka fitoriana teo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava izy ireo ary teo no nahafantarana fa tena mitobaka ny fampiasana seky halatra. Nampanatsoina ny tompony ary mazava fa efa misy fanamarinana ny fahaverezan’ny seky tany amin’reo. Ny mahatalanjona dia ny fomba ananan’ireo mpisoloky kara-panondro sandoka ary tena mitovy anarana amin’ny tompon’ny seky. Raha ny fantatra dia mety hiitatra lavidavitra ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, izay mitovy ny fitrangany fa ny seky no samihafa. Mila mailo ny mpivarotra sy ny mpampiasa seky satria raha ny fandinihana ity raharaha ity dia tambajotra mihitsy no miasa ao anatiny. Misy mpangalatra fotsiny, misy mpanao kara-panondro fotsiny ary misy indray ny manao ny fividianana entana, entina hanadiovana ny vola ao anaty seky.
D.R