- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Narahi-maso ny tranon’ny olom-boafidy sasany

Tanà : Narahi-maso ny tranon’ny olom-boafidy sasany

Feno “gros bras” ny manodidina ny trano fonenan’ny olom-boafidy sasantsasany teto an-drenivohitra omaly. Betsaka ny olona no nihorohoro raha nahita an’izany ary nifandimby niantso ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny boriborin-tany nisy azy avy. Isan’izany ny tetsy Andoharanofotsy, ny tetsy Antanimena sy Namontana ary koa tetsy Ankadindramamy. Rehefa natonin’ny mpitandro ny filaminana ny tompon’ny trano dia nilaza fa olona izay nomanina mba handamina ny fanisam-bato ireo raha sendra misy ny korontana. Ny tetsy Ankadindramamy indray dia adiady tao anaty birao fandatsaham-bato izay niafara tamin’ny fangalàna ny fitaovan’olona no niteraka ny korontana. Nirohotra teo amin’ny tranon’ny manam-pahefana iray ny olona  rehefa nandeha ny feo fa notazomina ao anatin’io ireo olona izay nalaina finday. Nony avy eo indray, raha araka ny fitantaran’ny manodidina ihany, dia nisy zavatra nipoapoaka tao ary tsy fantatra izay tena zava-nitranga. Nilamina ihany izany rehefa niha-alina ny andro ary raha ny fantatra dia nisy ny olona nosamborina izay nolazaina fa nitoratoraka ny tranon’ilay manam-pahefana. Samihafa arak’izany ny fitantaran’ny olona izay nilaza ho nahita ary koa ny mpitandro ny filaminana, momba io zava-nitranga io. Ankoatr’izay, omaly alim-be dia nisy andian’olona izay nikasa ny hanakorontana ny fanisam-bato tao Ambohipo. Faran’izay haingana anefa dia tonga ny polisy miadidy iny boriborin-tany iny ary voafehy ireo olona. Niverina tamin’ny laoniny ny filaminana

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici