Voatery nandraisan’ny lehibeny fepetra, satria nahoraka faran’izay haingana ny zava-nitranga noho ny fiparitahany tamin’ny tambajotra sosialy. Polisy vehivavy no voakasika eto. Nitaraina ny mpampiasa làlana sasantsasany rehefa nangàlan’ireo vola. Nisy nanaparitaka izany ary tonga teny ampoto-tsofin’ny lehiben’izy ireo. Nisy avy hatrany ny fandraisana fepetra noraisina, dia ny tsy famerenana ireo pôlisy vavy ireo intsony hanao fandaminana ny fifamoivoizana. Ny faran’ny herinandro teo no nitrangan’izany ary omaly kosa no nanomboka ny famadihana andraikitra ireo voakasika. Nalefa any amin’ny fanangonana vaovao ankapobeny ireo vehivavy rehefa nesorina taminy ny andraikitra amin’ny fifamoivoizana. Isan’ny nahalasa ny eritreritry ny olona sasany izay naharaka ny vaovao ny hoe: “noho izy ireo vehivavy ve ka nanao ny fanaon’ny lehilahy no nitarika ilay fandraisana fepetra faran’izay haingana?” Tao indray no nisy nitsikera no sady nametra-panontaniana hoe nahoana moa no tsy hifindra amin’ny vehivavy ny fanaon’ny sasany, indrindra ny lehilahy namany? Samy mitovy zo sy andraikitra ihany, hoy ihany ny tsikera sasany. Na izany aza, raha efa mahazatra ny fanoran’ireo polisy lahy sasany, toa hafahafa ihany tokoa ny mahita vehivavy manao fanamiana izany dia manao…kolikoly.
D.R