- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Raikitra koa ny "bizna" rano

Tanà : Raikitra koa ny « bizna » rano

Efa iaraha-mahita ihany ny filaharan-drano etsy sy eroa, ny « bidon jaune » izay mameno ny moron’arabe izay manakaiky fantson-drano. Rano izay vidiana fa tsy omem-potsiny. Ny zava-baovao kosa dia ny fisian’ny bizna vaovao amin’ny tambajotra sosialy dia ny varotra rano izay haterina ao an-trano izany. Ankoatr’izay dia efa misy koa ny fivarotana rano eny akaikin’ny paompy an’olon-tsotra. Matetika dia eny amin’ireny toerana mpanadio fiara amin’ny ranobe mitsifotra ireny no mitranga ny varotra. Misy mihitsy ny olona izay mitondra fiarabe ary mameno rano amin’ny siny maro izay vidiana eo. Izany rehetra izany dia midika fa mijaly rano Tanà ary matoa sahy mividy ny olona dia efa tena tsy manan-tsafidy intsony amin’ny filàna andavanandro. Betsaka ihany no manontany tena satria anatin’ny rotsak’orana izay tsy an-kijanona no mijaly rano ny vahoaka…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici