- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversTanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Tanà : Roalahy manao fanamiana polisy manery mandoa vola

Olona iray no nitsangana vavolombelona saingy faran’izay haingana dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny zava-nanjo azy. Ny alin’ny alarobia teo Ambohijatovo, nisy olona roa nanao fanamiana polisy izay nanakana fiara. Rehefa hita fa ara-dalàna ny taratasy dia mbola nosavaina indray hatrany am-paosin’ilay mpamily. Tsy nisy na inona na inona azo nanenjehana io farany. Saingy tsy navela nihetsika raha tsy manome vola, ary tsy vola kely fa 250.000ar no notakiana. Voatery nafarana hatramin’ny any an-trano mba hitondra vola raha tsy izany « fourrière » ny fiara. Iza ireto roalahy ireto? Raha ny fieritreretana azy aloha dia polisy sandoka ary olon-tsotra manao fanamiana fotsiny. Mila samborina maika satria miteraka korontana ho an’ny mpivezivezy amin’ny alina. Raha tena mpitandro ny filaminana moa dia ny sazy mafy indrindra anatiny sy ara-pitsaràna no mendrika azy ireo. Etsy ankilan’izay zon’ny olona ny mitaky karatra maha-matihanina ary mampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana raha misy mampiahiahy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici