Raha niatoato ny orana andro vitsivitsy lasa izay, taorian’ny fandalovan’ilay rivo-doza roa farany teo, dia niverina nijojojo indray izany nanomboka ny faran’ny herinandro teo. Vokatr’izay orana nikija izay, betsaka ireo tany nihotsaka ary maromaro ihany koa ireo trano nirodana. Vokany, olona efatra be izao no indray namoy ny ainy ary olona dimy hafa no naratra mafy, tototry ny ranon-tany sy biriky, ny alin’ny alahady lasa teo, teny amin’iny faritra « La haute » sy « Fort Voyron », Andrefan’Ambohijanahary iny. Nambaran’ireo mponina teny an-toerana, raha ity tranga tetsy amin’ny « La Haute » ity, fa efa somary natahorana ihany ilay rindrin-tany be manamorona ny tranon’ireo olona niharan-doza. Fa talohan’izay dia mbola nisy olona nanapoaka vato ihany koa teny amin’ny manodidina, izay isan’ny nampalemy ilay rindrin-tany. Vao mainka niampy ny rotsak’orana ka dia tsy tana intsony ny loza. Tokony ho tany amin’ny 12 ora alina tany no niavian’izany, raha ny filazan’ireo mponina hatrany. Olona efatra no tao anatin’io trano io, ka lehilahy roa tamin’izany no namoy ny ainy, naratra kosa ny roa ambiny, izay novonjena haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Nitrangana firodanana trano ihany koa tetsy Fort Voyron, Andrefan’Ambohijanahary, mbola ny alahady io hatrany, tokony ho tamin’ny 7ora hariva. Raha ny filazan’ireo mponina dia rindrim-bato nitatao ity trano ity no nihotsaka teo aminy ka nampirodana ilay trano. Mpianaka, ramatoa iray 68 taona, niaraka tamin’ny zanany lahy 40 taona no niara-namoy ny ainy tamin’io fotoana io, izay tsy voasikotr’ireo mpamonjy voina raha tsy adim-pamataranandro maromaro taty aoriana. Etsy andanin’izay dia olona telo hafa naratra mafy vokatr’ireo fianjerana io hatrany, ary nalefa avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana. Fa ambonin’ireo trano nirodana ka namoizana ain’olona indray ireo dia fantatra ihany koa fa trano roa hafa tetsy Ankadifotsy no nianjera, omaly. Soa ihany anefa fa tsy nisy olona tao amin’ireo trano ireo.
m.L