- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversTanamakoa : Mpamongady zava-mahadomelina, nosamborina

Tanamakoa : Mpamongady zava-mahadomelina, nosamborina

Politika fanenjehana ara-keloka entin’ny fampanoavana eto Toamasina izao, entina handresena ny tsy filaminam-bahoaka sy ny firongatry ny asan-jiolahy izay miha-ankizy, ny fanenjehana ny rongony. Isan’ny asa ataon’ireo mpitandro ny filaminana noho izany ny fisahanana izany isan’andro.

Roa volana izay, mahazo vaovao matetika mikasika ireto mpamongady rongony ao Tanamakoa P/elle 12/14 Toamasina ny polisy misahana ny heloka be vava. Misy hatrany ny fanaraha-maso ataon’izy ireo, saingy efa manana mpitsikilo mahatoky ireto mpamongady rongony ireto ka sarotra ny fisamborana. Ny 01 martsa teo anefa, tsy nanam-po na inona na inona izy ireo ka noraisim-potsiny tao an-trano tao Tanamakoa. Roa lahy izy ireo no tratra tamin’izany, rongony 35kg no sarona tao amin’izy ireo izay tao anaty na sakosy gony roa, ankoatra ireo rongony am-polony efa vita fonosana antsoina hoe baomba. Voalaza fa avy any Ambanja no fakan’izy ireo ireto rongony amidiny eto Toamasina ireto, ka ireo fiara fitaterana hain’izy ireo no ampitondrainy izany. Amidiny amin’ireo mpaninjara sy ireo mpifoka 5.000 ariary ny fehiny iray tonga eto Toamasina. “Saika miandoha amin’ny fifohana rongony avokoa ny asan-jiolahy sy fanaovan-keloka misy eto amin’izao fotoana izao; koa tsara hamafisina ny ady amin’ny rongony” hoy ny kaomisera Raelison Gerverin ny polisy misahana ny heloka be vava.

Ankoatra izay raha ny fanazavan’izy roa lahy tratra ireto, dia efa efa-taona no naha mpamongady rongony azy ireo izao. Nahatsapa ihany koa ny polisy tamin’ity raharaha rongony ity, fa mampiasa ankizy mpitsikolo izy ireo amin’ny fanaraha-maso ireo mpitandro ny filaminana sendra mandalo…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici