Tsy nanampo na inona na inona i Julio Ricardo na “Redman” izay vao 19 taona, raha teo am-pamakiana trano tao Tanamakoa, ny alin’ny zoma 2 septambra nifoha ny sabotsy 3 septambra, saingy nisy nahita ka voasambotra am-bodiomby ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany.
Naratra mafy ingahy “Redman” nandritra izao fitsaram-bahoaka nahazo azy izao, ny FIP no naka azy tao Tanamakoa, teo akaikin’ny tetezan’i Befrouaka nandritra izany raha nahazo antso tamin’ny mponina tao an-toerana. Raha ny vaovao nomen’ireo mponina ao Tanamakoa nitrangan’ity fikasana hamaky trano nataon’i “Redman” ity, dia tovolahy mpamerin-keloka izy io ka izay mihitsy no nahatonga ny olona nanabory ny lohan’ny filahiany tamin’izay fotoana izay, nefa mbola tsy nahafay azy hatramin’izao izany. Ny loharanom-baovao ihany koa no nahalalana, fa isany tena nampalaza an’ity Julio Ricardo na i “Redman” ity ankoatra ny vaky trano, ny fangalarana posy sy halatra bisikileta ary halatra môtô.
Niaiky ny heloka vitany nandritra ny fanadihadian’ny polisy azy izy, ka anio alatsinainy no hiakatra fitsarana ny raharaha, ary ho hita eo ny didy izay havoaka mikasika azy…
Malala Didier