- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanamakoa P/elle 12/14 : Nitrangana haitrano, olona mianaka niara-maty…

Tanamakoa P/elle 12/14 : Nitrangana haitrano, olona mianaka niara-maty…

Nisehoan’ny hain-trano goavana vokatry ny fipoahan’ny kaontera mipetraka teo am-baravarana ny tao Tanamakoa 12/14. Maty nandritra izany ireto mpianaka nipetraka tao, tsy iza fa ny reniny 22 taona sy ny zanany 02 taona latsaka. Raha ny filazan’ny mpiara-monina tamin’ity haintrano nitranga ity, izay samy namoaka entana avokoa tao anatin’izany mba tsy hitaran’ny haintrano, dia efa tafavoaka ilay ramatoa vao taitra fa hadino tao an-trano mirehatra ny zanany, ka niverina naka an-janany. May loatra tao anatin’izany ilay ramatoa sy ny zanany ka io fahamaizana mafy io no nahafaty azy mianaka. Raha nandinika ny razana ireo niezaka nanavotra azy ireo dia nifamihina izy mianaka tamin’ny fahitana ny fatiny. Kila foretra tanteraka ilay trano nisy azy ireo, saingy tsy nitatra kosa ny afo fa nanampy tao anatin’izany ireo fokonolona. Napetraka ao amin’ny tranom-pokonolona ny fatin’izy mianaka, ka ao no iandrasan’ny fokonolona ny faty. Efa namangy azy mianaka ireo tao amin’ny tranom-pokonolona Tanamakoa 12/14 ny fikambanana Vital fampandrosoana notarihan’ny filohany. Nanao antso avo ny mpamonjy voina fa tokony hitandrina ny rehetra na amin’ny fipoahan’ny kaontera na noho ny firehetana noho ny afo, fa tsy mamela mahazo izy ireny raha mitranga ary amoizana aina izany.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici