- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTanamakoa P/elle 12/14 Toamasina : Very saina ilay tovolahy nosesehana rongony…

Tanamakoa P/elle 12/14 Toamasina : Very saina ilay tovolahy nosesehana rongony…

Tena mbola mistery ho an’ny ray amandrenin’ity tovolahy antsoina Randrianarivony Sandro, 19 taona, mipetraka ao Tanamakoa P/elle 12/14 Toamasina, ny nanjo an-janany. Mpianatra manomana fanadinam-panjakana bakalorea ny tena nefa izao nidiran-doza izao. Raha ny fanazavana azo dia ny talata 6 desambra teo tamin’ny 8 ora alina izy no nisy nahita farany, izay manao “cours du soire” ao amin’ny sekoly iray ao amin’ny “cité jardin”. Tebiteby ny an’ny reniny mitaiza azy irery ary fanasan-damba no asany amin’izany. Nanomboka teo ny fikarohana azy ka notadiavina teny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana, sy ny hopitaly ny tenany fa niala maina ny fianakaviany. Ny sabotsy tao anatin’ny fankalazana ny zon’olombelona tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no tonga tao an-trano ny tenany, efa reraka mihintsy ny vatany ary misy dian-drangotra maro ny vatana. Ny akanjo nanaovany tamin’ny fialany tao an-trano ihany no akanjo nentiny niverina, saingy efa rovidrovitra. Zavatra roa no hany tadidiny nialoha ny tsy nahatsiarovany tena dia ny faritr’i Morafeno iny, sy ilay “plaque Bienvenue à Tamatave” teny amin’ny RN5 tamin’izy nody. Voalazany fa olona roa no nihazona azy, tsy tadidiny ny tarehiny, ary ranon-javatra tsy fantatra no nosotroiny nomen’izy ireo azy. Naka mpitsabo ny tenany tao an-trano ka io mpitsabo io nilaza fa misy zava-mahadomelina ny ranon-javatra nomena azy, ka mila diovina ny vatany. Izay no nampidirana azy eny amin’ny hopitalin’ny marary saina Analakininina. Arahi-maso eny ny tenany amin’izao ary nisy ny fanampian’ny olona malala-tanana tamin’izany rehetra izany, noho ny olona ara-bola eo amin’ny renin’ny Sandro.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici