- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTanambao Ambatondrazaka : Voatafika ny tanàna, olona iray maty voatifitra, telo hafa...

Tanambao Ambatondrazaka : Voatafika ny tanàna, olona iray maty voatifitra, telo hafa naratra mafy

Tao anatin’ny 20 minitra tany ho any no nanjakan’ireo jiolahy mitondra basy  sy sabatra ny tananan’i Tanambao Ambatondrazaka,  ny  alahady faha-24 septembre 2017 lasa teo .Tamin’ny 12 ora sy fahefany tany ho any ity tokantrano sady  mpanao mofo dipaina ity, izay  tao amin’ny fokontany Tanambaon ato anatin’ny kaominina Ambatondrazaka renivohitran  no nisy nanafika. Notorahan’izy ireo avokoa ny trano manodidina mba tsy hivoaka ny mponina, nanapoaka basy ny jiolahy. Ny mpiasa tao amin’ilay mpanao mofo no notereny hiantso ny patirao tao amin’ny trano teo ampita. Taitra ny patirao naheno ny savoritaka sy ny fifamaliana ka nivoaka vokatry ny antso, kinanjo vao nivoaka dia niantefa  teny amin’ny zanany lahy ny balan’ireo jiolahy. Niditra ny trano ireo jiolahy,  ka sady nidaroka ny tao an-trano no nanindrona antsy ary nitaky ny vola. Nanambara  ny tao fa ao amin’ny patirao eo amin’ny rihana faharoa ny vola, satria trano misy rihana ilay notafihana. Na dia niezaka nampandositra ny vadiny aza ilay tompon’ny trano raha naheno ny kotaba   dia nanjakan’ireo jiolahy  ny trano sy ny manodidina, fa ny trano nisy ilay patirao no tsy voasokatra fa efa mailo izy ka namoaka ny vadiny hivoaka teo amin’ny varavarankely. Ilay vadiny tafavoaka no nitsoka kiririoka sy niantso vonjy ka izay no nampilefa ireo jiolahy rehefa vory ny vahoaka. Vokany, tsy nisy zavatra very afa-tsy  fahitalavitra iray avo lenta. Raha ny asabotsy faha-23 septembre 2017  no nahavaky ny fonjaben’Ambatondrazaka ka  nandosiran’ireo gadra gaigilahy 11 ,dia izao fanafihana izao no nitranga teto amin’ny renivohitry ny faritra. Fantatra ihany koa fa fokontany iray tao Ambodimanga sy ny tao Antanifotsy ary ny tao amin’ny « Abattoir » Ambatondrazaka no samy nahitana fanafihana ny alin’ny alahady faha- 25 septembre 2017 teo .Miantso vonjy ny vahoaka amin’ny tsy fandriam-pahalemana, satria misokatra indray ny fitrandrahana vato tsy ara-dalàna  amin’izao fotoana izao ary maro ny olona tsy mazava monina sy tonga eto Ambatondrazaka. Mandray andraikitra ny ao amin’ny prefekitiora sy ny mpitandro ny filamainana.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici