Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny polisim-pirenena ao Toamasina dia nisy nanafika ny sabotsy teo, ny trano fivarotana vokatra “orange” sy finday tao Tanambao III. Andian-joilahy miisa 4 samy misaro-tava ary mitondra basy kalaky sy PA, no tonga tao amin’ity tranom-barotra ity, ary avy hatrany dia nanambana ireo mpivarotra sy ireo olona sendra tao anaty fivarotana, ka avy hatrany dia nandrahona ny hanomezana azy ireo ny vola maty tao amin’ity tranombarotra ity. Tsy fantatra anefa hoe ohatrinona ny sandan’ny vola lasa noho ity fivarotana vokatra “orange” ity mikirakira ny resaka ara-bola amin’ny alalan’ny “orange money”, tsy fantatra noho izany koa ny sandan’ny finday avo lenta lasan’ireto jiolahy, ary tsy fantatra tsy izany koa ny zavatra lasa tany amin’ireo mpanjifa sendra an’ity asan-jiolahy ity tao anatin’ilay tranombarotra. Nisy avy hatrany ny fahatongavan’ny polisy misahana ny hery vonjy taitra ny kaomisarian’i Toamasina Bazary kely raha vao nahazo ny antso, saingy efa tafatsoaka ireto jiolahy nandritra izany, noho ireo finday fiantso rehetra tao anatin’ilay fivarotana noraofin’ireto jiolahy ireto avokoa. Raha ny fanazavana dia nitsoaka nihazo ny lalana Tanambao II ireto jiolahy niaraka tamin’ny moto nentiny, ka heverina araka ny filazan’ny polisy fa nitsoaka nihazo ny Ambalabe, izay fokontany kely “tena faritra mena midorehitra” ao Toamasina. Ny nahagaga hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao, dia tsy mbola nisy ny fitoriana nataon’ny mpitantana ny tranombarotra teo anivon’ny polisy, mba hanokafana ny fanadiadiana sy ny fikarohana araka ny lalana. Na izany aza, araka ny nambaran’ny kaomisera misahana ny kaomisarian’i Toamasina I, Razafindahy Manitra, dia tsy manakana azy ireo hikaroka ny olon-dratsy izany izay tafiditra amin’ny fanaovana fikambanan-jiolahy sy fihazonana basy tsy nahazoana alalana ara-dalàna, ary halatra narahana fampiasan-kery taman’olona.
Malala Didier