Henjana be ny fanaraha-maso ataon’ny mpitandro ny filaminana mitambatra mialoha sy nandritra ny Asaramanitra, ka sahirana tanteraka ireo andian-jiolahy mitaingina môtô raha nihevitra ny nanararaotra amin’ny asan-jiolahy teto Toamasina, hany ka miandry « tataka » fotsiny sisa dia mamely.
Tratran’izany ity tokantrano mpivarotra tao Tanambao V ity, ny zoma hariva tokony tamin’ny 05ora sy 15min teo. Efa voaara-mason’ireo andian-jiolahy tsara ny fizotry ny fisafoana ataon’ireo mpitandro ny filaminana manerana ny tanàna, ka vao nahita hirika kely izy ireo dia namely tampoka ka lasan’ireto andian-jiolahy telo nitondra môtô izay nitondra basy PA ny vola iray tapitrisa ariary. Niaro ny fananany anefa ity tovolahy ity dia tsy nisalasala nitifitra azy ireto andian-jiolahy izay nahavoa ny sandriny sy niditra ny tratrany havia ary nijanona tao anaty havokavony ny bala. Efa mitsabo tena eo anivon’ny hopitaly be hatramin’ny zoma hariva ity tovolahy ity, izay miandry ny fandidiana azy, na izany miharatsy ny fahasalamany noho ilay bala mihitsoka ao anatin’ny tratrany ka manasarotra ny fomba fiainany.
« Tsy ataonay hampiraviravy tànana ny tranga nisy na teo aza ny ezaka maro natao, fa vao maika mampirisika anay hanao mafimafy kokoa izany » hoy ireo mpitandro ny filaminana. Mahatsapa mantsy izy ireo, fa tsy mitsahatra mihodina mijery ny tranom-barotra sy mpanam-bola asiana ireto andian-jiolahy mpitaingina môtô mpitondra PA ireto, ka izay hita fa hahazoana vola haingana dia lasibatra…
Malala Didier