Raha teto Toamasina no niatombohan’ity fitsaram-bahoaka ity, tao anatin’ny tetezamita ; izay mbola nitohy izany taty aoriana, nefa efa lefilefy izany tao ho ao Izao indray dia miverina mirongatra izany noho ny ambaran’ny vahoaka fa tsy matoky mpitandro ny filaminana, sy leo ny ataon’ny fitsarana sy ny fonja izy ireo, ka izao miverina mirongatra izao indray ny . Tato ho ato izay dia efa tranga am-polony no niseho teto Toamasina fa hatreto aloha dia mbola roa ny maty raha efa terok’aina sisa ny an’ireo ambiny. Ny alin’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 9ora alina dia tovolahy iray eo amin’ny 28 taona no saron’ny fokonolona tao Tanambao V avy nanendaka olona nandalo. Vao tratra ity tovolahy ity dia daroka avy hatrany no nahazo azy ka vaky ny lohany, notapahan’ny olona ny rantsan-tanany havanana rehetra, ny vatany amin’izany rotoky ny daroka. Olona sendra nandalo no niantso polisy tsy lavitra teo ka tonga ireto farany izay nitondra azy tany amin’ny hopitaly Morafeno. Ny alakamisy io ihany tokony ho misasak’alina dia tsy tana intsony ny ain’ity mpanendaka ity noho ny fahaverezan-drà be loatra taminy. Ny fanazavan’ireo mponina nahatratra azy no nahalalana, fa efa mpanao fanendahana amin’ny Tanana misy azy ireo ity tovolahy ity, saingy tsy mety tratra mihitsy, fa tafatsoaka hatrany, dia izy tratra farany izao ka niharan’ny fitsaram-bahoaka leo ny fanendahana atao saika isan’andro.
Malala Didier