Isan’ny hetsika ataon’ny polisy amin’ny famongorana ny tsy filaminana sy ireo mpanao asan-jiolahy, ny mikasika ny fanenjahana ireo mpivarotra rongony sy ireo mpifoka ary ireo mpamongady izany.
Ny zoma teo taorian’ny loharanom-baovao azon’ny polisy tao Toamasina, dia nisy ny hetsika nataon’izy ireo tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany, izay nahatrarana ambodiomby ity ramatoa iray mpamongady rangony tao Tanambao V. Tratra tamin’izany ny rongony efa mifono tsara ao anaty harona “sachet” nafenina tao anaty gorodona milevina ao ambanin’ny tany. Raha nolanjain’ny polisy ireo rongony tratra ireo dia milanja 46kgs sy 250g ary raha nanontaniana ity ramatoa mpamongady sy mpitahiry azy ireo ity dia nambarany fa rongony avy any Toliara entina taxi-brousse sy kamiao izy ireo, ka mahatratra 10.000 ariary ny saran’ny iray kilao amin’ny fitondrana azy ao Toamasina. Ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa no nahalalana, fa ireo mpitsinjara sy ireo toeram-pifohana rongony ao Toamasina dia saika amin’ity ramatoa ity avokoa no maka ny rongony ampiasan’izy ireo.
Malala Didier