Manitrikitrika ny polism-pirenena fa olona nikasa hamaky trano ireo efa-dahy nifanenjehan’izy ireo sy ny fokonolona tao Tanambao Verrerie fa tsy olona nanao fanafihana mitam-piadiana izany. Vao ratsy fihetsika mantsy ireo andian-jiolahy efatra ireto dia efa nisy fokonolona niantso polisy avy hatrany, satria tranon’olona tsy eo ny tompony omaly antoandro no nokasain’izy ireo hovakiana. Raha naharay ny antso ny polisy dia nanao ny asany avy hatrany ka vaky nandositra ireto andian-jiolahy, na efa nifanenjehana aza dia tsy nisy tratra izy ireo satria tena kizon-dalana no saika hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny izao. Ankoatra izay kosa dia andian-jiolahy enina teo am-piketrahana famakiana trano tao Tanambao V no saron’ny polisin’ny FIP tao anaty trano fidorohana iray ny alahady teo. Efa vonona avokoa ny fitaovana famakiana trano rehetra tamin’izao fivoriana nataon’izy ireo nahatrarana azy noho ny vaovao azon’ny polisim-pirenena izao. Ny tsy nazava fotsiny tamin’ny fakana ny vaovao natao dia tsy fantatra ny fokontany saika nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ny alahady alina teo
Malala Didier