Ny alin’ny alakamisy 04 avrily nifoha ny zoma 05 avrily teo tokony tamin’ny 01 ora sy sasany maraina, dia nisy namaky ny tokantrano iray tao Tanambao Verrerie P/elle 21/74 Toamasina. Tahaka ny fanaon’ireo mpamaky trano dia ny fanapitsohana ny varavarana, ren’ny tompon-trano, no fanaon’izy ireo amin’izany. Lasa tamin’izany ny moto iray sy entana vitsivitsy tao an-trano. Vao maraina anefa dia nahatsikaritra ny nanjo azy ireo tompon-trano ka nanara-dia ny dian’ilay moto natosika nivoaka ny vavahady nandritra ny fangalarana azy, na efa noezahina nofafana sy notopasana rano mba tsy ho hita aza ny dian’ilay moto sy ny dian-tongotra sasany. Raha natao ny fanarahan-dia izao nampian’ny polisin’ny FIP izay natsoin’ilay tokantrano nisy namaky, dia tao amin’ny fefy iray antsoina hoe Amparantanana Tanambao Verrerie no nifarana ilay dian’ny moto sy ilay dian-tongotra. Raha nataon’ny komandan’ny FIP Rafaliarivo Jules ny fisavana ity tokantrano ity dia hita tao ilay moto halatra, ary sarona tsy afa-nandà ihany koa izy mivady mpangalatra moto sy mpamaky trano nahavita izao vaky trano izao. Nisy avy hatrany ny fisamborana, ary efa miatrika ny fakana am-bavany azy eo anivon’ny polisim-pirenena ao Bazary kely izy mivady ireto izao, ka heverina fa ny alatsinainy izao no hiakatra fitsarana ny raharaha.
Malala Didier