- Publicité -
jeudi, février 5, 2026
AccueilFaits-DiversAmpasika : Tanan-jaza natao sorona

Ampasika : Tanan-jaza natao sorona

Nisy labozia teo akaikiny.

Tsy lavitra no nisy izany fa eto an-drenivohitra, tany tsy lavitr’Andriana akory ary misy fanjakana : etsy Ampasika. Vao maraina ny olona izay nandalo teo amin’ny toerana akaikin’ny tobin-dasantsy iray no nahita izany ary nihoron-koditra. Tanan-jazakely napetraka eo ambony vato miendrika akalana ary nisy labozia teo akaikiny. Azon’ny rehetra an-tsaina avy hatrany fa sorona no antony. Hatreto tsy fantatra ny momba ilay zaza. Ny azo eritreretina dia na misy zaza miady amin’ny fahafatesana any ho any, tsy misy tànana intsony, na zaza efa namoy ny ainy noho io antony io. Eo no ilaina ny fiarahamonina mba hijoro vavolombelona ary hampandre ny mpitandro ny filaminana raha sendra manam-baovao na mahatsikaritra zavatra hafahafa. Ny olana mantsy dia ambana ho an’ny fiaraha-monina io tompon’andraikitra nanao sorona zaza io : raha tsy voasambotra izy dia mety mbola hamono zazakely hafa any indray. Mila lasa lavitra arak’izany ny fanadihadiana momba ity raharaha ity fa tsy avela ho vitavita mora. Ny ray aman-dreny rehetra no mahatsiaro ho tsy milamin-tsaina raha tsy voasambotra ary omena ny sazy henjana mifanandrify amin’ny heloka bevava vitany ny tompon’andraikitra. Omaly ihany dia efa niparitaka manerana ny tambajotra sosialy ity tranga izay nampivarahotsana ny maro ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter